MP3 : Aina Cook Elison / Izy Nisaona (2007)

Aina Cook Elison / Izy Nisaona (2007)
Ecouter ce morceau
Titre : Izy Nisaona [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : Aina Cook Elison
Année : 2007
Paroles :
Lasa ianao, lasa lavitra any
Nandao ny tany, ilay feno tomany
Izy irery no tavela, tsy afaka nitafa ela
Tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy nifandao
Lasa ianao, nanalavi-tiana
Dia ilay fiainan-tsy hita, tsisy fahoriana
Izy teo nangahiahy, lahatra tsy afa-nanda
Raha ny tiany, fifaliany
No tazominy eo anilany eo
Tsy maintsy nekeny, tsy fidiny

CHORUS
Lasa ianao, tsy nifidy ny handao
Fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Lasa ianao tsy afa-nampilaza
Izy tavela nitomany toa zaza
Lasa ianao, tsy nifidy ny handao
fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Fa lasa ianao, izy nisaona
manantena anefa
indray andro ianareo mbola hihaona
Ny ranomasony tsy voatana,
Ny momba anao tsy hainy ho fafana
Ny sainy tsy tony satria ianao tsy eto intsony
efa nialoha lalana
fotoana fohy no niarahana
Tampoka loatra ny fisarahana
Izy mino mitanisa fa hoe misy ilay paradisa
Raha ny tiany, fifaliana
no tazominy eo anilany eo
tsy maintsy nekeny, tsy fidiny
# Posté le mercredi 31 octobre 2007 06:25
Modifié le vendredi 16 mai 2008 03:38

MP3 : Fitia / Ny Finoako (2007)

Fitia / Ny Finoako (2007)
Ecouter ce morceau
Titre : Ny Finoako [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : Fitia
Année : 2007
Paroles :
Raha tsy hita izay aleha
Raha matahotra ny maizina
Na maraina na hariva
Maka saina na mievitra

Hoe tsy misy ny mpitia
Fa ny mamelo ny aina
Fitia tsy misy fetra
Ho an\'ireo rehetra rehetra

Miezaka hatrany
Manao izay mety
Tsy mandainga izy izany
Fa mamitrana ny fo


Tsy mifidy olona izy
Hataony izay mahasoa
Mandroso foana foana
Satria

(Pont)
Mitety izao tontolo (izao)
Miaina am-ponao ao X2

(Fiverenana)
Aza ilaozanao
Izay mino anao
Ianao ihany no ilaiko
Fitiavana no inoako


Izay ilay hafatra
Hapetrako aminao
Aza ilaozanao
Izay mino anao
Ianao no ilaiko
Ianao no inoako
K'aza manadino anahy

# Posté le mercredi 31 octobre 2007 10:04
Modifié le mercredi 12 décembre 2007 04:19

MP3 : Gasy 2-2003 / Pour Madagascar - Tyx (2007)

Ecouter ce morceau
Titre : Pour Madagascar - Tyx [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : Gasy 2-2003
Année : 2007
Paroles :

"Madagasikara"

Vitana sy masoandro vaovao
No mba iriako hitandrify aminao
Fotoana maro izay no niafiafiana
Nizakana ny mafy
Tsy dia nisy hafaliana

Miverimberina ato antsaiko ato foana
Ireo ankizy, mitaraina sy noana
Ilay taniko izay mamiko, tsy ho very ao amiko
Androany aho
Tsy very toky

REF : HIRAIKO AMINAO
HO ZARAIKO AMINAO
ILAY FITIAVAKO AN' I MADAGASIKARA
DIA HINO FOANA AHO
TSY HO KIVY AHO
FA MBOLA HO AVY ILAY MARAINA
ETO MADAGASIKARA

Amin'izao taona vaovao izao
Feno fanantenana ao anatiko ao
Mba hampisava ilay aizina hatrizay
Dia ho eo foana ao
Eo ankaikinao

Homeko hatramin'ny foko rehetra
Sy ilay fitia, tsy misy fetra
Hanova izay ratsy ho tsara
Tsy miandry takalo fa mizara
Androany aho , tsy very toky

REF :
PONT:
REF

TYX. R
# Posté le mercredi 31 octobre 2007 11:20
Modifié le mercredi 23 janvier 2008 14:24

MP3 : MARiON & SPEAR O MiC & FiTiA / Foiko ho Anao (2007)

MARiON & SPEAR O MiC & FiTiA / Foiko ho Anao (2007)
Ecouter ce morceau
Titre : Foiko ho Anao [Ajouter ce morceau à mon blog]
Album : MARiON & SPEAR O MiC & FiTiA
Année : 2007

# Posté le samedi 10 novembre 2007 14:18
Modifié le lundi 28 janvier 2008 10:05

# Posté le samedi 10 novembre 2007 14:47
Modifié le lundi 28 janvier 2008 08:12

Liens promotionnels